Flan

420

FLAN maro be azo hisafidianana. 

Soso-kevitra avy amin'i ‎Wendie‬ Rafalison : aza adinoina ny hanitra (lavanila, na kikina hodim-boasary, na sokola) ny ravim-boasary ihany koa dia efa mety ampangotrahina miaraka amin'ny ronono

1) "FLAN amin'ny VERA" (nahandron'i Randrianandrasana‬ Manirisoa Nomena )

ILAINA :
Ronono 1L
siramamy 1pot-na yaourt
sira 1 tsongo
"parfum" kely
vovoka maizena 2kaopy eo ho eo
rano mangatsiaka 1 kaopy

FIKARAKARANA :
- Ampangotrana ny ronono nasiana siramamy sy sira kely
- ranoina amin'ilay rano 1 kaopy ny maizena, arotsaka ao amin'ilay ronono sady aroina tsy ankijanona, afo malefadefaka tsy mahamay be no ampiasaina.
- rehefa mangotraka 5minitra dia andramana kely ka rehefa tsy mahare tsirona "maizena" mantamanta ianao dia vita izy!
- Zaraina malaky amin'iny izy mbola mafana iny mba ho tsara ny endriny rehefa mangatsiaka! Arakaraky ny arihitry ny flan no mampahalemilemy na mampihenjakenjana azy! Rehefa manao matetika koa dia mahita ny hanatsarana azy! Mazotoa e!

2) " FLAN amin'ny VERA" "nahandron'i Prisca Sandrelle Rotet)
ILAINA :
tamenak'atody 6
ronono 1L
siramamy izay tiana

FIKARAKARANA :
- ampangotrahana ny ronono dia avela ho matimaty
- alefa ao ny tamenak'atody sy siramamy, aroina dia atao anaty "bocal" na boîte na yaourt
- atao masakevoka (bain marie) eo amin'ny 20 minitra eo ho eo, afo tena malefaka raha tsy izany mivadika ilay izy.
- avela hangatsiaka dia atao anaty vata fampangatsiahana

3) "FLAN amin'ny vera" (nahandron'i Liva Rabarisoa)

ILAINA:
ronono 1L
atody 3
siramamy 100g
lavanila tahony 1
sira 1 tsongo

FIKARAKARANA :
- Ampangotrahana ny ronono, asiana ny siramamy, lavanila ary sira 1 tsongo
- avy eo, arotsaka tsikelikely amin'ny atody avy nokapohana (ivelan'ny afo io)
sady kapohana hatrany.
- atao amin'ny vera na lasitra izay tianao dia atao masakevoka ( bain marie) 7 minitra sady saromana tsara amin'ny afo malefaka dia vita
- atao anaty vata fampangatsiahana rehefa mangatsiaka.

4) "FLAN PATISSIER" (nahandron'i Bonbon‬ Mamibe)

ILAINA:
50cl ronono
25cl crème fleurette (toa ny crème fraîche liquide izy io)
125g siramamy nototoina ho lasa vovoka
100g tamenak'atody (avy amin'ny atody 5 na 6)
50g maïzena
lasitra boribory 18sm ny savaivony

FIKARAKARANA :
- Ampangotrahana ny ronono sy ny lakirema.
- Kapohana anaty "bol" ny tamenak'atody sy ny siramamy. Arotsaka ny maïzena, aroroina.
- Araraka eo ambonin'ny fangaro teo ny ronono sy lakirema efa nangotraka.
- Averina ambony afo ary ampangotrahana, mbola avela 30 segondra aorian'ilay izy vao mangotraka iny.
- Vita izay, dia araraka anaty "plat" vita amin'ny vera mahazaka mamay, saromana amin'ny "papier film" , ary avela hangatsiaka tanteraka.
- Maka lasitra boribory, hosorana dibera kely dia fafazana lafarina.
- Kapohana tsara ny lakirema efa nampangatsiahana tetsy ambony mba halefaka dia arotsaka anaty lasitra.
- Hafanaina 180°C ny laforo dia alefa ao ary masahana mandritry ny 35 mn eo
- Vita rehefa mahazo lokom-bolamena sy somary misy ohatry ny herotra mainty - Avela hangatsiaka. dia vonona.

5) "FLAN AMIN'NY VERA" (nahandron'i ‎Ylan‬ Razafindramaho)

ILAINA :
ronono 1L (raha vovon-dronono dia 6sotro fihinanana na 100g hoa n'ny rano 1L)
siramamy 3sotro fihinanana
maizena 2sotro
"crème pâtissière" nounous 1 sotro fihinanana

FIKARAKARANA :
- Hakana kely ilay ronono dia lemana amin'iny ny "maizena" sy ny "crème pâtissière", avy eo araraka ao anatin'ilay ronono ambiny indray.
- Ahandroina amin'ny afo malefaka ary aroroina tsy ankijanona, rehefa hita fa tsy mandranoka loatra dia vita
- zarazaraina anaty vera dia avela hangatsiaka

6) "FLAN AMIN'NY POT" (nahadron'i Nounousy‬ Petite)
 

ILAINA :
ronono 1L
"poudre flan" 3 na 4 sotro fihinanana (ao amin'ny belim's misy azy)

FIKARAKARANA :
- Hakana kely ny ronono dia lemana kely amin'iny ilay "poudre flan"
- Rehefa levona tsara dia araraka ao amin'ny ronono ambiny, ataingina ambony afo ary aroroina tsy ankijanona mandra-pahazo marihadrihatra (rhefa mangotraka ohatry ny vary sosoa izy dia vita)
- atao anaty "pot" amin'izay mba hangatsiaka dia izay.

fanamarihana : Ampitomboina kely ny fatrany raha tianao ho mafimafy ilay izy fa ny ahy io aloha antonony tsara

7) "FLAN AU CHOCOLAT TSY MAMPIASA ATODY" (nahandron'i ‪‎Bodo Voahangy Razafindramavo)
 

ILAINA:
Ronono 1L
Maizena 4 sotro fihinanana
"crème pâtissière" nounous 2 sotro fihinanana
siramamy 6 sotro fihinanana
"chocolat noir robert"

FIKARAKARANA :
- Ampangotrahana ny ronono sy sokola sy siramamy
- Alaina ny "maizena" sy ny "crème pâtissière" dia ranoina amin'ny ronono 1/2 vera, afangaro tsara
- Araraka ao amin'ny ambin-dronono
- Atao ambony afo, aroroina foana dia rehefa matevina dia vita
- atao anaty "pot" avela hangatsiaka vao atsofoka anaty vata fampangatsiahana

8) "GATEAU na FLAN" (nahandron'i ‎Anjara‬ Fanasina)

ILAINA :
atody 4
siramamy 150g
herotra ronono 1vera
yaourt 1pot
ranona voasary (mety daholo)1/2vera
hoditr'ilay voasary 1sotro kely
lafarina 150g
lalovay 1/2sotro kely
menaka kely

FIKARAKARANA :
- kapohina ny atody sy siramamy ary ny hoditra voasary, avela ho fotsy tsara 
- arotsaka ny herotra dia kapohina tsara dia ampiana yaourt, kapohina tsara koa dia alefa ny ranom-boasary, ny lalovay ary ny lafarina.
- raha misy lafaoro dia ataovy anaty lasitra, fa raha tsy misy dia ataovy mivantana amin'ny vilany na lapoaly ataovy toy izao : amainina ny vilany na lapoaly dia asiana menaka 5 sotro, aparitaka ; rehefa mafana ny menaka dia arotsaka ny paty dia saromana.
- ahetsiketsika na ahodina matetika ny vilany na lapoaly mandrapaha-masany.
Atao afo malefaka be mba tsy ho may.
tsara loko be io satria "doré" ny ambany ary mavo ny ambony.

Fanamarihana : raha atao kely ny lafarina dia manome flan izy io fa raha ampiana ny lafarina dia lasa mofomamy.

Mampahatsiahy antsika hatrany mba hanaja ny fitsipika napetraky ny tompon'ny vondrona " soraty feno ny teny fa aza manao teny bory rambo sy tsy tonga volana"

Nangonin'i Vero Randriam

 

Catégorie: