Flan amin'ny vera

446

 "FLAN AMIN'NY VERA" 
 

ILAINA :
ronono 1L (raha vovon-dronono dia 6sotro fihinanana na 100g ho an'ny rano 1L) fa ny ahy eto ronono mandry no nataony 
siramamy 3sotro fihinanana
"maizena" 2sotro
"crème pâtissière" nounous 1 sotro fihinanana

FIKARAKARANA :
- Hakana kely ilay ronono dia lemana amin'iny ny "maizena" sy ny "crème pâtissière", avy eo araraka ao anatin'ilay ronono ambiny indray.
- Ahandroina amin'ny afo malefaka ary aroroina tsy ankijanona, rehefa hita fa tsy mandranoka loatra dia vita
- zarazaraina anaty vera dia avela hangatsiaka

(nahandron'i YlanRazafindramaho fa nataon' i Boo Laylah  

Catégorie: