Flan de cresson et poireaux

630

FANOKAFAM - BAVONY na SAKAFO MAHALEO TENA :

" FLAN DE CRESSON ET POIREAUX" 

Zavatra ilaina (hoan'olona 6) : 
anandrano sy "poireaux" efa masaka 200g
atody 3
tamenany 2
"crème liquide" 500ml
sira, dipoavatra

Fikarakarana azy :

- Sasana tsara ny anandrano sy ny "poireaux". Tetehina 3-4 sm eo ho eo. Masahana amin'ny rano fotsiny. Fihazina amin'ny tanana hanariany rano.

- Afangaro tsara daholo ireo. Asiana sira sy dipoavatra. Andramana ny tsirony, ampiana arak'izay tianao.

- Araraka ao anaty "moule a cake" mandeha ao anaty lafaoro "micro-ondes" ("porcelaine" na vera). Saromana "film". Dia ahandroina ao 300 watt mandritry ny 45 minitra.

- Rehefa vita ny 45 minitra dia tsindromina amin'ny antsy eo afovoany. Tokony hivoaka maina ny antsy. Raha tsia, dia ampiana 10 minitra indray. Dia tsapaina indray. Ampiana 10 minitra hatrany hatrany mandra-pahamainan'ny antsy.

Fanamarihana : 
1) Azo aroso mafana, azo aroso mangatsiaka, azo atao tsakitsaky (apéritif) koa ka amin'izay fotoana izay dia tetehana efajoro madinidinika mba ho mora raisina. 
2) Na "garniture"-na hena na trondro natono na "rôti".
3) "Flan d'épinards" ilay "recette" fa tsy mahita "épinards" aho dia anandrano sy "poireaux" no nataoko. Ny "équilibres" kosa dia notazomiko foana. Zava-maitso 200g hatrany. Ny fatran'ireo zavatra ilaina hafa tsy novaiko...
4) nahandro "micro ondes" ity fa mino aho fa afaka atao lafaoro tsara.

Mazotoa o

Nahandron'i Noro-Liva Rakotondrasamba

 

Catégorie: