Flan en verre à la vanille et raisins secs

735

TSINDRI-TSAKAFO : FLAN A LA VANILLE ET AUX RAISINS SECS 

Zavatra ilaina:

-ronono 1/2l
-siramamy 2 sotro lehibe
-lafarinina 2 sotro lehibe
-atody 2
-lavanila singany iray
-voaloboka maina izay tiana

Fikarakarana azy

-nafanaina ny ronono sy ny atina lavanila, fa tsy navela hangotraka
-nobataina dia nampangatsiahiko kely indray
-nalaiko ny 1/3 dia nandomako ny lafarinina
-ny ambiny nampiako siramamy sy tamenak'atody, nokapohiko
-nataingiko teo ambony afo malefaka avy eo dia narotsako ilay lafarinina sy ronono
-narohina mandrapahazo ilay ohatry ny marihitra iny
-nozaraina tanaty vera dia nohaingoko voaloboka maina
-koa satria tsy manana vata fampangatsiahana izahay, dia naka tsatokaty nisy rano mangatsiaka aho dia nampidiriko tao ireo vera efa feno flan, nosoloiko in-telo ilay rano vao niha-nangatsiaka tsara ilay flan.

mazotoa o 

nahandron'i Iangola Ny Aiko 
 

Catégorie: