Flan patissier

365

FLAN PATISSIER

Zavatra ilaina :
50cl ronono 
25cl crème fleurette (toa ny crème fraîche liquide izy io)
125g siramamy nototoina ho lasa vovoka
100g tamenak'atody (avy amin'ny atody 5 na 6)
50g maïzena
lasitra boribory 18sm ny savaivony

Fikarakarana azy :
- Ampangotrahana ny ronono sy ny lakirema.
- Kapohana anaty "bol" ny tamenak'atody sy ny siramamy. Arotsaka ny maïzena, aroroina.
- Araraka eo ambonin'ny fangaro teo ny ronono sy lakirema efa nangotraka. 
- Averina ambony afo ary ampangotrahana, mbola avela 30 segondra aorian'ilay izy vao mangotraka iny.
- Vita izay, dia araraka anaty "plat" vita amin'ny vera mahazaka mamay, saromana amin'ny "papier film" , ary avela hangatsiaka tanteraka. 
- Maka lasitra boribory, hosorana dibera kely dia fafazana lafarina.
- Kapohana tsara ny lakirema efa mangatsiaka mba halefaka dia arotsaka anaty lasitra.
- Hafanaina ny laforo,180° C. Alefa ao ny "tarte"
- Masahana ao mandritry ny 35 mn eo ho eo.
- Vita rehefa mahazo lokom-bolamena sy somary misy ohatry ny herotra mainty
- Avela hangatsiaka. dia vonona.

Mazotoa o 

de Bonbon Mamibe

 

Catégorie: