Fricassée de légumes

688

Sakafo végétarien : Legioma nahandro tsotra -"Fricassée de légumes" -  "fricasea di verdure"

ZAVATRA ILAINA 

Karoty
"fenouil" (karotintsoavaly )
korzety
sakaibe  
tongolo 
Voatabia kely
Ovy
sira sy dipoavatra
Menaka oliva 
thym na basilika na koa solila

(azo asiana izay legioma tiana rehetra)

FIKARAKARANA AZY :

- Tetehina ny legioma rehetra araka izay habeany tiana sy ny hamafiny : izany hoe ny mora masaka (voatabia, korzety...) atao lehibebe ny tetika ary ny mafimafy kosa atao madinika kokoa (karoty, ovy...)

 

FAHANDRO AZY:

1. lafaoro: hafanaina mialoha 200°

- Asiana rano 1 sm ny lasitra dia araraka ny legioma dia atao miparitaka tsara,

- Asiana sira sy menaka ary ireo zava-manitra

izay vao ampidirina ka eo amin'ny ora iray eo dia masaka, fa miankina amin'ny habetsany

 

2. lapoaly na vilany lehibe velarana satria mila mahazo rivotra tsara:

- ampangotrahana aloha ny rano kely 1sm eo dia asiana menaka oliva kely arotsaka ny legioma sy ny zava-manitra rehetra ary rehefa miverina mangotraka dia avela 3 minitra dia esorina, tsy atao ela fa manjary miboledaka nefa hohanina mikarepoka no tsara,

- averina asiana menaka oliva manta kely sy sira izay vao aroso.

 

Mazotoa ary o

Catégorie: