Fritelle di patate

546

Fritelle di patate  - Ovy mikarepoka  - Galettes de pommes de terre

ZAVATRA ILAINA: 

ovy 500g
curry
sira
atody 1
dipoavatra
fromazy parmesan izay tiana
lafarina 3 cas
rano 3 cas
menaka fanendasana

FIKARAKARANA:

kikisana ny ovy manta dia atokana,
Maka bol dia kapohana ny atody asiana sira sy dipoavatra ary curry 
arotsaka ny ovy sy ny fromazy parmesan ary lafarina farany ny rano kely raha ilaina mba hahalasa paty azy 
Hafanaina ny menaka atao bebe 
Alaina amin'ny sotro ny paty dia endasina ary tsy atao mahery afo be fa manjary tsy masaka ny ao anatiny
Rehefa vita dia apetraka amin'ny taratasy na "sopalin" mba hitsika tsara

Mazotoa o 

Nahandron'i Gihane Bezaka

 

Catégorie: