Fromage de tete

36

 

recette n°1 de  Bonbon Mamibe

Lohakisoa (azo asiana lelany koa raha tiana) nandrahoina mandrampaleminy anaty vilany be miaraka karôty voatetika, oignons, ail, thym, vinaigre, sira, poivre. Tetehana, averina anaty vilany misy saosiny nandrahoina azy iny, asiana persil rehefa mitovy haavo ny hena sy ny saosy dia pihana ny afo, atao anaty moule dia avela hangatsiaka vao ampidirina frigo.

 

recette n°2 de Ranabavy Juju 

Mahandro lohakisoa atao malemy tsara, dia azo asiana pied de veau koa raha te hahazo gelatine betsaka, dia azo asiana carotte, oignon piqué-na girofle, asiana sira sy poivre.

Tsy atao ritra be fa iny rano maditidity iny mihintsy no ilaina. Rehefa masaka dia tetehina madinika tsara (lay pied de veau esorina fa tsy atao ao an).

Azo asiana manimanitra ihany koa toy ny persil ohatra rehefa afangaro iny.

Araraka anaty moule dia andrasana mangatsiaka dia atao anaty frigo dia zay.

 

recette n 3 de Vero Randriam

LOHAN-KISOA na LOHAN'OMBY mety daholo : ahandroina mibolongana miaraka amin'ny tongolo gasy, dipoivatra, sakamalaho kely.

Rehefa masaka dia tetehana madinika. Somary averina tanehana indray sady amboarina ny tsirony amin'izay mahafapo anao.

Avy eo, atao anaty "bol" ary avela hangatsiaka. Ampidirina vata fampangatsiahana mba hivaingana tsara.Raha tsy misy dia avela amin'ny toerana mangatsiaka tsara fotsiny.

Raha atao salady dia manomana "poivron", "échalotte", kotomila na persily atao "vinaigrette" mialoha, dia afangaro aminy avy eo.

Raha atao laoka indray, tsy andrasana mangatsiaka fa avy dia arotsaka ny fangarony, ohatra "lentille ".

Dia anjaranao no mampiasa izay "épices" hitiavanao azy !

Mazotoa o

 

Catégorie: 
Matériels: