Fromage de tete 2

847

FROMAGE DE TETE (lohan-kisoa na vavan'omby koa mety) 
(Nahavita lasitra cake 28sm sy 22sm)

ZAVATRA ILAINA:

silaka lohan-kisoa 2.5kg
laurier raviny 4
thym 1sotrokely
tongolo gasy hasiny 4
sira izay ampy
(azo atao koa tongolo gasy, dipoavatra, sakamalaho na izay hanitra mampetipety anao ao e !)

FIKARAKARANA AZY

- Ahandroina mibolongana miaraka amin'ireo hanitra sy sira ny lohan-kisoa
- Rehefa masaka dia esorina amin'ny taolany, ary tetehana madinika ny nofony. Averina amin'ilay ranony teo ary somary tanehana indray sady amboarina ny tsirony amin'izay mahafapo anao.
- Avy eo, atao anaty "bol" na lasitra izay itiavanao ny bikany (lasitra cake eto) ilay izy miaraka amin'ny ranony iny, ary avela hangatsiaka na ampidirina vata fampangatsiahana mba hivaingana tsara (mety foana).

*** Eto dia nasiana kotomila voatetika ilay izy efa nalefa tao anaty lasitra alohan'ny hampangatsiahana azy iny.

1) Raha atao "SALADE DE MUSEAU" dia manomana "poivron", "échalotte", kotomila na persily efa nasiana saosy "vinaigrette" : vinaingitra na ranomboasary makirana sy menaka kely mialoha. Tetehana ho toy ny kodiakely ilay "fromage de tete " efa mivaingana iny, dia afangaro amin'io saosy "vinaigrette" avy eo 

2) Raha atao laoka indray, tsy andrasana mangatsiaka fa avy dia arotsaka ny fangarony, "lentille ny ahy" fa mety koa tsaramaso .... Dia anjaranao no mampiasa izay "épices" hitiavanao azy e!

3) raha atao "entrée" dia tsara raha "moule à cake" no hanaovana azy, dia didiana toy ny "cake" ary asiana salady sy silak'atody ary voatabia miaraka aminy.

Tsy voatery ho ny lohany ihany fa izay faritra rehetra amin'ny kisoa na omby ka fantatrao fa madity (gélatineux), dia mety ampiasaina avokoa.

Mazotoa o !

Nahandron'i Vero Randriam

 

Catégorie: