Gâteau aux tomates vertes

1003

GATEAU AUX TOMATES VERTES 

Otazo ilay voatabia mbola manta,
Na ilay sômasôma ry Hanta,
Teteho dia ahandroy amin'izay,
Dia ampio an'ireto koa ry Miray:

Mitovy amin'ny lanjany ny siramamy,
Ny rano koa torak'izany ry Mamy,
Azo ampiana lavanilina ho manitra,
Sa ahoana hoy ianao ry Hanitra?

Rehefa ritra ilay izy dia hajanony,
Dia avelao angatsiaka ry Ony,
Ny gâteau amin'izay no karakarao,
Ka omany ny fitaovana ry Lalao!

Siramamy 100g sy atody 4 no ilaina,
Saraho ny tamenany sy tapotsiny ry Lalaina,
Ny tamenany sy siramamy kapohy tsara,
Ataovy mitombo, azonao ve ry Fara?

Tsoniho 50 girama ana dibera,
Afangaroy ao 100g lafarina ry Sera,
Dia arotsahy ao amin'ilay fangaro,
Ataovy mitambatra tsara ry Aro!

Ny tapotsiny ataovy anaty lovia jobo,
Dia asio sira indray mitsongo ry Lobo,
Ary kapohy sy avelao hiavoavo,
Vita izay ny anjaranao ry Mavo!

Alaivo io dia araraho tsikelikely,
Aza atao mafy loatra ry Kekely,
Dia ataovy mifangaro tsara ary,
Dia avia ianao manohy ry Soary!

Osory dibera ny moule,
Dia anao indray izao ry Vololona,
Araraho mora ao ilay izy rehetra,
Dia antsoy hikarakara azy i Fetra!

Izany hoe ampiditra azy ao anaty four,
Dia miandràsa akaiky eo ianao ry Noro,
Fa folo minitra io dia vita
Ka miomàna indray ialahy ry Lita!

Makà lamba lena tena madio,
Dia raraho siramamy io ry Tsio,
Raha vao mivoaka ny four ilay gâteau,
Ataovy eo dia ahorony ry Lôlô!

Avelao hangatsiaka vetivety,
Dia vahao indray ilay izy ry Juliette,
Hosory ilay voatabia masaka malaky,
f'aza votsavotsa ianao ry Paty!

Dia avereno ahorona indray,
Dia zarazarao amin'izay ry Mireille,
Tena ohatran'ny tsara ilay izy,
Anefa aza tia tena ianao ry Denise!

Fa tapatapaho samy hihinana,
Na ry Rija na koa ry Ambinina,
Avia amin'izay koa ry Berthe,
Hihinana "gâteau aux tomates vertes"!

Nahandro sy tonokalon'i Mamiarisoa Lalao RALAITSIROFO
anio 1er Mai 2017

Catégorie: