Galette 1

415

GALETTE 

ILAINA :
- lafarina 500g
- siramamy 250g
- atody 3 ho an'ny paty ,1 ho an'ny "dorure"
- lalovay simika 1/2fonosana (6g eo)
- menaka izay tiana(facultatif)
- dibera 30g

FIKARAKARANA :
- kapohana tsara ny atody 3 sy siramamy mandra-pahalasany fotsy tsara
- avy eo, alefa ny menaka
- afangaro ny lafarina sy lalovay
- arotsaka tsikelikely ao amin'ilay fangaro teo aloha dia aroina amin'ny "spatule", aroina amin'ny tanana amin'izay mandra-pahazo bola tsy miraikitra amin'ny tanana .
- Alona 1ora saronana lamba tsara tsy ho tratry ny rivotra
- Vita izay, dia volavolaina boribory fisaka kely be dia be izay itiavana ny habeny
- Afanaina mialoha ny lafaoro 180°C 10minitra
- atao ambony lasitra ny paty, hosorana ilay atody 1 nokapohana (dorure)
dia atsofoka anaty lafaoro 180°C mandritry ny 30minitra eo ho eo

Fanamarihana : afaka ampiana ny atody raha tiana ho malemilemy ny mofo

 Nahandro sy sarin'i ‎Fanja‬ Rambeloson

Catégorie: