Galette 2

637

GALETTE

Zavatra ilaina

mahavita 20 isa
- Lafarina 250g,
- Siramamy 125g,
- Dibera na menaka 70ml (tapaky ny pot yaourt) ,
- Ronono 2 sotro fihinana,
- Lalovay na "levure" 1 sotrokely,
- Atody 2,
- "parfum" izay tiana 

Fikarakarana

Afangaro ny atody, siramamy, dibera rehefa mifangaro tsara dia arotsaka ny ronono, rehefa izay dia arotsaka ny lafarine sy lalovay voasivana ary ny "parfum", afangaro mba ahazo bolongana paty tsy miaraikitra amin'ny tanana, ampio lafarina kely raha toa ka miraikitra amin'ny tanana
Volavolaina ho boribory dia fonosina "sachet" dia avela hilpetraka eo 1ora
Fafazana lafarina ny latabatra dia kosehina ahazo paty manify tokony ho 0,5cm ny hateviny, omena endrika amin'ny "emporte piece" na vavana vera avy eo,
Manao "dorure" :kapohina ny atody sy ronono kely dia  hosorana an'io ny "galette" mba ho lasa menamena tsara na hoe "doré" rehefa masaka ary asiana dian'antsy mba ho bikany
Ampidirina lafaoro mafana 200° mandritra ny 15mn

Mazotoa o 

Nahandron'i Aina Rakotoarisoa

 

Catégorie: