Galette bretonne

806

ODY AM-BAVA FO na SAKAFO MARAINA : GALETTE BRETONNE

Nitady ody ambava-fo hoan'ny ankizy kely ka tsy misy karibonetra dia nahita ity tao amin'ny boky iray "Savoir préparer la pâtisserie - Nouvelles Recettes" de Patrice Dard!

Zavatra ilaina:

Lafarinina 250g,
Siramamy 125g,
Tamenak'atody 3,
Dibera masira 150g,
rhum 2 sotro fihinanana,
tapotsiny nokapohina 1

Fikarakarana azy:

Afanaina ny lafaoro 180°c. Araraka anaty tsatokaty na "saladier" iray ny lafarinina. Asiana lavaka lehibe eo afovoany. Arotsaka ao ny tamenany, ny siramamy, ny "rhum" ary afangaro tsikelikely @ lohan-dratsan-tanana. Rehefa mifangaro daholo ireo, alefa tsikekikely ny dibera efa nozarazaraina. 
Avy eo, maka lasitra iray dia velarina ary fisahana amin'ny tanany ny "pâte".
Osorana ilay tapotsiny ny tampony. Eto, tsy olana ny tsy fananana "pinceau": nokapohiko tsara tamin'ny sotro rovitra ny tapotsiny. Nataoko nandroatra tsara. Iny roatra iny no naosotro tamin'ny fanondro. 
Alefa anaty lafaoro efa mafana 180° ka 50 minitra eo dia masaka.
.
Fanamarihana: 
- nosoloiko ronono ny "rhum" satria hoan-jaza ilay "galette". Fa ny fantatro dia manitra be ny quatre-quart (be dibera) misy "rhum" kely;
- lafaoro gasy no nampiasaiko ka noho ny mbola tsy famehezako azy tsara dia rehefa voavelatra tao anaty lasitra ny "pâte" vao nampirehitra afo. Nahazo "temps de pause" kely ny ahy izany. Tsy haiko raha nanova na tsia fa ny tampon'ny galette-ko dia mitovy amin'ilay sary tao anaty boky. 
- Atao marina tsara ny "pâte" fa manjary misy iandronan'ny tapotsiny. 

Mazotoa mianatra sy omana!

Nahandron'i Noro-Liva Rakotondrasamba

Catégorie: