Galette de courgette

620

SAKAFO MAHALEO TENA : " GALETTE DE COURGETTE" 

ZAVATRA ILAINA : 

Korzety 1 lehibe 
Atody 2
Lafarina 110 g
Ronono 150ml
Basilika 
Tongolo maitso
Sira
dipoavatra

FIKARAKARANA : 

- Sasana ny korzety, kikisana amin'ny rapy lavaka antonony (tsy kely tsy lehibe) ary fihazana amin'ny lamba manify (azo mbola hamainina tsara anaty taratasy mitroka rano)
- Ampifangaroina amin'ny basilika sy tongolo maitso voatetika. 
- Manao paty ohatry ny hanao mofo sakay : Afangaro ny lafarina, atody, ronono. Asiana sira sy dipoavatra.
- Ampifangaroina amin'ny korzety etsy ambony
- Afanaina tsara ny lapoaly dia hosorana menaka. 
- Arotsaka anaty lapoaly fatra sotrobe ( tsy atao feno loatra) dia haparitaka amin'ny vodin'ny sotrobe ilay paty (velarina). 
- Ahena ny afo rehefa manendy mba tsy ho may haingana ( ny atody no mahatonga an'io)
Rehefa mendy tsara dia avadika.

Raha misy ambiny dia azo atao anaty « congélateur ».

Mazotoa o

Nahandron'i Lucrétia Rabe 

Catégorie: