Galette des Rois 1

460

MOFOMAMIN'NY MPANJAKA - "Galette des Rois au chocolat et amande na Frangipane"

ZAVATRA ILAINA :

"pâte feuilleté" 2 isa
siramamy 125g
"chocolat noir" 125g
"amande" vovony 125g
dibera malemy 125g
atody 2
tamenany 1
kanelina 1 na 2 sotrokely

FIKARAKARANA : 

- Afanaina mialoha ny laforo à 220°C 10 haramin'ny 20 minitra
- Velarina eo amin'ny lasitra ny paty iray ary tsy esorina ny "feuille de cuisson", tsindromina maromaro amin'ny sotro rovitra (fourchette) ny paty,
- Atao anaty "bol" ny sokola dia atao ambony "casserole" misy rano mamay mandra-pitsoniny tsara (bain marie)
- Afangaro ny siramamy sy ny dibera
- Arotsaka ao ny sokola, "amande", atody, kanelina. Dia rakofana iny ilay paty efa natao teo ambony lasitra, hamelana 1sm ny ety amin'ny sisiny manodidina
- Arakotra eo ambony ny paty faharoa, dia hidina tsara amin'ny ratsan- tanana ny sisin'ny paty, tsindriana amin'ny sotro rovitra avy eo
- Hosorana ilay tamenak'atody ny tapony rehetra avy eo (raha tsy manana "pinceau" dia afaka hosorana amin'ny "soupalin" matevina tsara )
- Manao sary izay tiana amin'ny lohan'antsy, dia asiana lavadavaka kely mba hibontsina ny paty
- Alefa ao anaty laforo 220°C mandritry ny 30minitra
VITA......

Mazotoa o 

Nahandron'i Nicky Garouette T'Choupi 

 

Catégorie: