Gambas

752

LAOKA : "GAMBAS (crevettes géantes tigrées) à ma façon" 

ZAVATR ILAINA : 

Gambas 400g ("surgelés" ny ahy eto)
Tongolo 3 lehibe voatetika
Tongolo gasy hasiny 4 voapotsitra
"concentrée de tomate" 2 sotro lehibe eo
Sira, 
"épices" izay tiana ("Ras el hanout" 1 sotro ny ahy eto fa tiako hasiaka kely)

FIKARAKARANA AZY :

1) Endasina amin'ny menaka ny tongolo, tongolo gasy, "épices", "concentrée de tomate", sira, mandra-paha masamasaka ny tongolo.
2) Nozaraiko 2 avy eo satria nataoko indroa nanendy ny gambas.
3) Arotsaka ny gambas, saromana ny lapoaly ary manisa 8minitra mahandro azy ka rehefa vita ny 4minitra voalohany, dia avadika ary tohizana indray 4minitra.
4) Azo hohanina izy eto fa raha tianao, dia afaka asiana rôma kely dia arehitra.

Vonona ny nahandro, nanao ro matsatso tamin'ny kotomila aho ary lasary voatabia nampiarahana taminy.

Mazotoa homana tompoko !

nahandron'i Vero Randriam 
 

Catégorie: