Gana amin'ny tantely sy voamadilo

983

GANA AMIN'NY TANTELY SY VOAMADILO SAOSY (nolafihana haninkotrana)

ZAVATRA ILAINA :
Gana 1
tantely an-tsasa-kopy
voamadilo 4 na 5 an-tsasakopy
sira 1 sotrokely
menaka 1 sotro
hanitra (épices izay tiana voatoto)
asperges 6 na 7 amina fehezana tapahana ny vodiny
tongolo 3
Tongolo gasy hasiny 5
Voasary makirana 1
karoty 3 kely, silaka voatavo
akondro fahandro na menaaloky iray voasana dia tetehana, vinaingitra balsamika
Dipoavatra voatoto.

FIKARAKARANA AZY :
- voasana ny voamadilo dia alona anaty rano mafana tapaky ny kaopy sy sira 1 sotrokely
- tapahana ny vodin'ny asperge
- tetehana ny tongolo gasy, tetehana ny tongolo, tetehana ny voasary makirana
- Afanaina mialoha ny lafaoro 350°F (180°C)
- Tetehana atao misy triatra ny tratran'i gana rehefa avy nosasana sy nohamainina tsara amin'ny taratasy. Asiana trobaka kely koa ny toerana be taviny.
- Maka sira amin'ny tanana dia ahosotra ny ao anatin'ny gana, dia ampidirina ao ny tongolo gasy voatetika (afa -tsy iray avela ho an'ny lafika), ampidirina ao koa ny voasary makirana voatetika, sy ambina voamadilo efa avy nalona.
- Fehezina ny tongon'ny gana mba hihidy tsara amin'ny kofehy fahandro.
- Ny 40 minitra voalohany, atao anaty plat fandrahoana ny gana, hosorana menaka kely sy sira daholo ny manodidina na ny vata-tenan'ilay, dia ampidirina anaty lafaoro. Ny tratrany no ambony.
- Afaka izay, dia ahodina ary masahana 40 minitra indray.

- Asiana hanitra (épices) sy sira ary dipoavatra izay mety tiana ny legioma sy haninkotrana miaraka rehetra isan'izany ny tongolo rehetra. Rarahana menaka kely dia afangaro tsara.

- Vita ny 40 minitra faharoa, dia arotsaka ny legioma lafika. Apetraka eo amboniny ny Gana izay nosorana ranona voamadilo sy tantely kely ary vinaingitra balsamika kely.

- Ampidirina anaty lafaoro mandritry ny ora iray. Rehefa mendy dia ahodina. Vita izay, dia asiana/ ahosotra Tantely amin'izay ny tratrany sy ny rehetra.

- Averina ao anaty lafaoro ho adiny 1 indray mandra-mendy tsara. Tokony ho masaka tsara ny Gana. Manitra. Aroso mafana miaraka amin'ny vary masaka.

Araho ny fikarakarana an-tsary
Mazotoa o !

Nahandron'i Cotton Wood

Catégorie: