Gateau amin'ny vilany

243

GATEAU AMIN'NY VILANY 

fomba fanaovana gateau amin'ny vilany ho an'ireo namana tsy manana four nefa mba te hanao izany. Na gateau salé na sucré dia mety avokoa

GATEAU AUX FRUITS - mofomamy amin'ny voankazo

- Afangaro ny siramamy 200g , atody 4 ary dibera malemy 150g , mandra-pitsoniky ny siramamy.
- arotsaka ny lafarina 150g sy 1/2 fonosana lalovay simika (levure chimique).
- arotsaka ny hoditra citron 3 voakiky sy paoma 5 ary akondro 4 tetehana efamira madinika, dia afangaro daholo.
- asiana taratasy A4 maromaro ny vilany kendrena ahazo tsara ny sisiny dia arotsaka ny pate, ilay vilany maina no tonga dia asiana taratasy A4. 
atao ambony afo dia saromana amin'ny sarom-bilany avadika dia asiana afo izany hoe eo ambony sarom-bilany mivadika..
- tokony 30 minitra eo dia masaka fa somary avela hangatsiaka vao esorina anaty lasitra amin'ny taratasy satria somary misy manaraka kely fa tsy maninona akory.

Raha ho asiana crème dia atao genoise tsotra.
rehefa masaka dia zaraina 2 dia asiana fruits somary nandrahona tamin'ny rano sy siramamy eo afovoany ary crème dia asiana crème ivelany koa
(jereo ny sary)

FANAMARIHANA

 Gateau salé:
azo atao gateau salé toy ny cake koa izy ity fa asiana sira ny paty, soloina akoho na "charcuterie" na nofon-kisoa sy oliva ohatra ny voankazo, tsy adino ny fromage sns
Tsy manimba vilany izy ity satria tsy mila fasika

Nahandron'i Onitriniaina Rova Andriantsoa

 

Catégorie: 
Matériels: