Gateau au citron

644

MOFOMAMY MALEMY SY VOASARY MAKIRANA (gâteau moelleux au citron) 

Zavatra ilaina :
125g siramamy,
125g dibera malemy (tsy mitsonika akory an),
125g lafarina,
lalovay simika 1 sachet (Alsa),
2 atody,
ranona voasary makirana ngeza 2,
kikina hoditra voasary makirana 1,
sira 1 tsongo. 

Fikarakarana azy : 

- kapohana anaty dibera malemy ny siramamy hahazo lakremy marihitra, arotsahy sy kapohy ao koa ireo atody avy eo
- arotsaka ny ranona voasary makirana sy ny kikina hoditra
- afangaroy mitokana aloha ny lafarina sy ny lalovay ary ny sira
- arotsahy anatin'ilay lalotra avy eo, afangaroy moramora hahazo rihitra ranoiray. 
- omany ny lasitra 22 sm, osory dibera dia asio siramamy milalotra ny anatiny rehetra
- arotsaka ary atao anaty lafaoro 180°C mandritra ny 30 mn eo ho eo, tsapao @ antsy maina ihany aloha hoe masaka ve ny anatiny.
- andraso hangatsiaka vao havoaka ny lasitra.
Tsara be ny tsirony fa ataovy !

NB: azo saratsarahana amin'ny lasitra majinika toy ny fanaovana cup cake toy ny fampiharana nataon'i Saholitiana Rakotondratsoavina eo amin'ny sary 

Nahandron'i Bonbon Mamibé

 

Catégorie: