Gateau aux pommes et amandes

897

TORTA DI MELA E MANDORLE – GATEAU AUX POMMES ET AMANDES

Mitovy amin’ilay au noisette ihany ity raha ny fatra no resahana fa ny paoma voatoto no mahasamy hafa azy ka tena tsy misy paoma hita mivainga, tian’ny ankizy kokoa

ZAVATRA ILAINA:

atody 3
siramamy 150g
dibera 70g
yaourt blanc 70g (tapaky ny boaty eo)
amandes voatoto 50g (azo soloina voanjo na mahabibo)
lafarina 200g
sira 1 tsongo
lalovay 1 fonosana
paoma 3 na 4

FIKARAKARANA AZY

Kapohana miaraka ny atody sy ny siramamy avy eo arotsaka avokoa ny zavatra ilaina rehetra ka ny ranony aloha vao ny maina rehetra, afatsy paoma,
Tetehana ny paoma dia totohina amin’ny "mixeur" ho lasa lakirema
Maka lasitra efa nasiana dibera sy lafarina kely tsy hampiraikitra azy,
Araraka ny antsasaky ny fangaro aloha ary alahatra ny paoma, avy eo araraka indray ny antsasany dia saromana paoma indray.
Ampidirina lafaoro efa nafanaina mialoha 180° - 45 minitra

Mazotoa o

Catégorie: