Gateau aux pommes et noisettes

899

TORTA DI MELA E NOCCIOLE – GATEAU AU POMMES ET NOISETTES

ZAVATRA ILAINA:

atody 3
siramamy 150g
dibera 70g
yaourt blanc 70g (tapaky ny boaty eo)
noisette voatoto 50g (azo soloina voanjo na mahabibo)
lafarina 200g
sira 1 tsongo
lalovay 1 fonosana
paoma 3 na 4

FIKARAKARANA AZY

Kapohana miaraka ny atody sy ny siramamy avy eo arotsaka avokoa ny zavatra ilaina rehetra ka ny ranony aloha vao ny maina rehetra, afatsy ny paoma,
tetehana manify kosa ny paoma
maka lasitra efa nasiana dibera sy lafarina kely tsy hampiraikitra azy,dia araraka ny antsasaky ny fangaro aloha ary alahatra ny antsasaky ny paoma, avy eo araraka indray ny antsasaky ny paty dia saromana paoma indray.
Ampidirina lafaoro efa nafanaina mialoha 180° - 45 minitra eo dia vita

Mazotoa o 

 

Catégorie: