Gateau marbré de Paques

Portrait de Angie
218

GATEAU MARBRE'

ZAVATRA ILAINA

lafarina 4 boaty yaourt,
sucre glace 2 pots,
atody 6,
lalovay 1sotrokely,
ronono 1pot,
cacao 2sotro,
dibera 00g

FIKARAKARANA A
Atao en neige ferme ny tapotsin’atody
Kapohina miaraka ny tamenany +siramamy, arotsaka ny beurre malemy, kapohina hatrany, alefa ny ronono, arotsaka moramora ny farine +levure efa voasivana dia haroina indray. Arotsaka ilay neige dia afangaro moramora. Zaraina roa ny pate, ny iray asiana parfum vanille ary ny iray asiana ilay cacao
Alefa anaty lasitra efa nasiana menaka sy taratasy ny fanambaniny. Ka toy izao no fandrarahana ilay pate: eo afovoan’ny lasitra no asiana ilay pate parfum vanille tokony ho 1sotro lehibe, dia eo afovoan’iny pate iny indray no andrarahana pate au choco dia ampifandimbiasina toy izany hatrany mandrampahatapitriny pate, kendrena tsara ho eo afovoany tsara no andrarahana azy
Ampidirina lafaoro efa nohafanaina mialoha amin’ny hafanana 180°mandritra ny 40 minitra

Mazotoa o 

Nahanadron'i Aina Rakotoarisoa

 

Catégorie: