Gateau Paska

Portrait de Angie
216

PASKA NY ANDRO!

Tsy haiko izay ifandraisany
Fa ataon'ny olona dia mba ataoko!
Ny akoho no mahita faisana,
Ao anatin'ny atodiny avy asiana toaka! 

Lafarine 125g, siramamy 150 grammes
Levure chimique atsasaka sachet
Atody efatra sy dibera 50 grammes
Kapohina sy afangaro anaty saladier!

Hosorana dibera ny manodidina ny moule
Dia arotsaka ao izy rehetra ireo
Tsy fenoina loatra, tsy hihoatra ny molony
Satria hitombo be ao anaty lafaoro avy eo!

180 degré no anaovana ny hafanana
40 minitra no ahandroina azy ao
Jereo matetika ihany f'aza mihanahana
Sao dia may loatra ka tsy mety ny atao!

Rehefa vita dia ataovy anaty lovia
Dia manesora boribory eo afovoany
Dia mahavita gâteaux roa indry
Ataovy amin'ny endrika ilay mba fanaony

Asio crème au beurre na koa pâtissière
Asio sarin'akoho vita @ chocolat
Aza atao lehibe loatra fa sao mianjera
F'ataovy salasalany ohatry ny ahy!

Ny karazana crème efa feno ato @ groupe
Ka azonao fidiana izay mba tianao
Dia mahavita soa, aza manary toky
Fa vitan'ny hafa ve tsy ho vitanao!

Dia manaova fety paska tsara ry zareo!
Ataovy izay mety sy mba mahasoa!
Ndao fa avelako indray ianareo
F'izaho andeha hanao izay mba tiako koa!

Tononkalo sy nahandron'i Mamiarisoa Lalao RALAITSIROFO
Anio 04 Avril 2015

Catégorie: