Gateau piton de neiges

930

GÂTEAU PITON DES NEIGES 

ZAVATRA ILAINA:

yaourt 1 boaty (diovina ilay boatin'ny yaourt rehefa avy eo atao famarana),
lafarina 4 boaty,
siramamy 2 boaty,
menaka 1 boaty,
lalovay simika 1 fonosana,
atody 3.

FIKARAKARANA AZY:

-Afangaro manokana ny akora maina rehetra, 
-afangaro manokana ny akora lena rehetra ary kaphoana hifangaro tsara 
-afangaro ny akora lena sy maina hahazo fangaro marihitra
-afaka manampy voankazo voatetika izay tiana : paoma, akondro, kôkô voakiky, na kaofitiora, sôkôlà mitsony na potika sôkôlà...sns. Ny ahy teto vovona sôkôla no nataoko.
-osorana menaka ny lasitra fanaovana mofomamy, 25 sm ny savaivony nampiasaiko teto
-arotsaka ao ny fangaro ary ampidirina lafaoro efa nohafanaina 180°C mandritra ny 45 mn eo ho eo, ny antsy natsofoka tamin'ny mofomamy mivoaka madio no tena ahafantarana azy hoe masaka.
Piton Des Nèiges : toerana nisy volokano ao amin'ny Nosy La Réunion, miendritra tendrombohitra

Mazotoa homana e 
Nahandron' i Bonbon Mamibe 

Catégorie: