Gateau sosety

299

Gateau sosety - gateau christophine / chouchoute 

Zavatra ilaina:

sosety 7, atody 3, lafarina 200g , siramamy 200g, ronono 125ml, vanille 2, voaloboka maina (raha tiana dia alona kely anaty rhum)

Fikarakarana azy:

Voasana ao anaty rano ny saosety (mba tsy hiraikitra amin'ny tanana ilay lakoly madity be iny ), tetehina majinika dia andrahoina miaraka amin'ny rano 1 vera, eo amin'ny 15 à 20 min eo araka ny habetsany, 
rehefa masaka dia atsika tsara ny rano, potserina halemy tsara avy eo dia avela hangatsiaka kely.
Afangaro ny sosety voapotsitra tsara ny atody voakapoka , lafarina, siramamy, vanille, ronono ary ny voaloboka maina efa nalona kely tao anaty rhum.
manao caramel : empoina amin'ny afo malefaka ny siramamy 2 sotro ary tsy avela ho mainty be fa lasa mangidy, avy eo atao anaty lovia jobo mahazaka mamay na "cul de poule" na koa osorana caramel ny lasitra dia arotsaka ao ny pate ary atao bain marie 45 min eo.  Avela mangatsiaka vao esorina ao anaty lasitra.

NB: - raha tsy te hanao caramel dia azo asiana dibera ny lasitra dia araraka ny paty dia atao bain- marie ihany koa 
      - raha lafaoro kosa dia 45- 55 min à  180° 

Mazoto e!

Nahandron'i Rajoarivony Andriamampianina 

Catégorie: 
Matériels: