Gateau yaourt 2

457

GÂTEAUX YAOURT

Pot yaourt eto no ampiasaina atao famarana
 

ZAVATRA ILAINA :

"Yaourt nature" 2 pots
Siramamy 1 pot sy tapany
Lafarina 1 pot
Maïzena 2 pots (azo atao lafarina ihany raha tsy misy )
Dibera 1 pot efa mitsonika (mety koa menaka an )
Atody 3
"Sucre vanillé" 2 fonosana (tsy voatery)
Lalovay simika 1 fonosana (10-11g)

FIKARAKARANA :

1/ atao anaty bol lehibe :ny yaourt, siramamy, "sucre vanillé", atody, lalovay, dibera efa nitsonika : aroina tsara amin 'ny "fouet" hifangaro tsara
2/ rehefa mifangaro tsara dia arotsaka tsikelikely ny lafarina sy ny maïzena sady aroina hifangaro tsara.
3/ atao anaty lasitra izay tiana efa nosorana dibera ny paty efa nifangaro tsara.
4 / atao anaty lafaoro efa nafanaina mialoha 180°C 10 - 20 minitra
5 / eo amin'ny 20 minitra eo dia vita. Tsindromina amin 'ny antsy ka rehefa tsy misy manaraka dia vita.

Mazotoa indray ary ho antsika izay mankafy ô.

Nahandron'i  Soa Bonheur Bourmancé

 

Catégorie: