Gato ovy

627

SAKAFO MAHALEO TENA : " GATO MASIRA VITA AMIN'NY OVY" - ( Gateau napolitain )

ZAVATRA ILAINA :

Ovy 1kg
Dibera 200g
Ronono na rano 250g
Sira sy dipoavatra izay tianao
"Mortadelle na jambon na saucisson" izay tianao
fromazy voakiky (izay tianao ny habetsany)
Atody 3
poti-mofo (chapelure)

FIKARAKARANA AZY :

- Ahandroina aman-kodiny ny ovy efa nodiovina ary voasana rehefa masaka
- potserina tsara amin'ny sotro rovitra na amin'ny famotserana azy
- izy mbola mafana iny no afangaro amin'ny dibera sy atody ary ronono sy sira (raha tianao dia asio dipoavatra kely), aroina tsara
- Alaina ny lasitra dia hosorana dibera, araraka ao ny antsasaky ny ovy
- alahatra eo amboniny ny "mortadelle na jambon na saucisson voatetika" sy fromazy voakiky
- rakofana ny ambina ovy teo, dia rarahana poti-mofo ny tapony
- Atsofoka anaty lafaoro efa nafanaina mialoha, 180°C mandritry ny 20 minitra; Rehefa mendimedy tsara ny poti-mofo dia vita.

Fanamarihana : 

1) ny ao afovoany azo atao na saosy voatabia aza fa mila ritina tsara fotsiny.
2) Raha GATO MAMY izy dia vomanga indray no atao solon'ny ovy ary sokola no atao ao afovoany.

Mazotoa o

nahandron'i Julie Patricia Ranaivoarijaona

 

Catégorie: