Gaufre

998

GAUFRE 

ZAVATRA ILAINA :

lafarina 500g 
atody 4 (voakapoka)
siramamy 6 sotro fihinanana
dibera natsonika100 g 
ronono 400ml
sokola natsonika (tsy voatery)
tantely (tsy voatery)
glace (tsy voatery)

FIKARAKARANA AZY :

- Afangaro ny lafarina sy siramamy, ny atody, ny dibera ary ny ronono mandra-pahazo paty tokapangaro (homogène) tsara
- Maka 1sotrobe amin'ny fangaro dia araraka amin'ny "machine à gaufre" ary avela ho masaka eo amin'ny 3 na 4 minitra eo. 
- Aroso anaty lovia, haingoana "boule de glace" sy tantely kely ary sokola.

Mazotoa o !

nahandron'i Syssi Hys

 

Catégorie: