Genoise

137

Ity zaraina eto ity izany dia genoise ho an'izay mba te hanao "gateau d'anniversaire" ao an-trano.

MOFOMAMY GENOISE

Zavatra ilaina:

tamenakatody 5,
siramamy 125g, 
lafarina 130g,
dibera 125g,
tapotsinatody 4,

Fikarakarana azy:

Kapohina miaraka eo ambony "bain marie" ny tamenakatody 5, siramamy 125g, rehefa hita miakatra tsara dia afafy tsikelikely ao ny lafarina 130g, ary afangaro moramora amin'ny "spatule". Alefa tsikelikely ny dibera 125g sady afangaro haingana ihany. Farany arotsaka ny tapotsiny 4 efa nokapohana hiakatra tsara :"montés en neige ferme".

Atao anaty lasitra ka tsy atao feno be ary andrahoina amin'ny lafaoro hafanana anotnony ary efa nafanaina mialoha 180°C mandritry ny 25 - 30 minitra eo. Rehefa tsisy manaraka intsony amin'ny antsy atsindrona aminy dia vita.
Ny "travail" rehetra atao amin'ny genoise dia haingana sady malefaka avokoa mba tsy hampihena be ilay fangaro sy hampalefaka be azy.
Zaraina 2 ny genoise avy eo dia mandomandona amin'ny "liqueur" izay tiana ary hosorana "creme au beurre" na "chantilly" na kaofitiora sns rehefa mangatsika.atambatra ary. saronana "creme" sy asina "decoration" zay tiana.

Mazotoa ary e

Nahandron' i Fifaliana Sy Fiadanana

 

 

Catégorie: 
Matériels: