Gisa sy sesika

980

GISA SY SESIKA 

ZAVATRA ILAINA:
vorona mifahy (gisa na gana)
ram-borona ( sang)
taova (Abats) 'ny vorona telo ( rehefa fety izy mamono vorona maro tamin'izany ) : haranany (gésier) atiny (Foie) fony (coeur) ny tsinaikely ilay azo hohanina, ny taviny ( gras ) 'ny vorona
Kobambary
tongolo gasy
sakamalaho
ravin-tsalady lehibe
kofehy hamatorana azy

Raha any amin'ny toerana tsy ahitana ràm- borona, dia soloina : boudin 250 g ny ram-borona, ary mividy haranany (gésier) 200g atiny (foie)200g fony (coeur) 100g kosa ho solon'ny atim-borona 3.

Ireto kosa ny zavatra ilaina amin'ny vorona :
henakisoa 500g
tongolo gasy
sakamalaho
dipoavatra mainty
sira

FIKARAKARANA AZY :

1/- Tetehana ny hena kisoa ary endasina ho mena tsara
- ampiana tongolo gasy, sakamalaho, dipoavatra mainty, sira dia tohizana endasina hifangaro sy hahazo tsiro tsara (suc).
- Arotsaka ny vorona voatetika ( na ny fitetika vorona aza tena sarotiny izy ) dia aroina tsara hifangaro tsara ny suc
Asina rano roa vera, saronana ny vilany (ambatolampy fa tsy cocotte minute an)
- Avela hiketrika 1 ora amin'ny afo malefaka

2/ Mandritra izay atao ny sesika :
- Alaina daholo ny fangaro rehetra totoina amin'ny robot : haranany, atiny, fony, tongolo gasy,sakamalaho, boudin,taviny, sira, dipoavatra (Tamin'ny andro taloha, antsy maranitra no hamotehana ny atim-borona rehetra)
- Asiana kobambary hitambatra tsara
- Avy eo, atao boribory toy ny katilesy fa somary lehibe,dia fonosina ravin- tsalady ary fatorana (ny ahy tsy fa toraka fa mikatona ho azy ny salady refa andrahoina)

3/ Apetraka ambonin'ny vorona ny sesika
- tohizana 30minitra ny fandrahoana azy, ampiana rano raha tsy ampy mba hifangaro tsara ny tsiron'ny vorona sy ny sesika
Ireo fatra nomena ireo mahavita eo amin'ny 30 sesika

4/ Aroso:  Ilay gisa sy hena kisoa (eo ankavia)
Ilay sesika (eo ankavanana)
Romazava anaty vera
Lasary anaty coupelle
Sakay mena na maitso (izay tiana)

Araho ny fikarakarana an-tsary rehetra

Mazotoa daholo
Am - pitiavana foana

Nahandron'i Niry Rafi

 

Catégorie: