Glace yaourt

274

Ny fanaovana gilasy yaourt ary no atolotra ampifaliana eto 
Faran'izay tsotra sady mora atao no sady mahasolo sakafo maraina raha tena mamay be ny andro.

Zavatra ilaina:

yaourt nature na parfumé 

crème fraiche

siramamy 

voankazo voatetika na koa potika chocolat (izay tiana)

Fikarakarana azy:

Mixena miaraka ny yaourt nature izay avo roa heny @ fatran'ny creme fraiche ( ohatra: yaourt iray pot, dia ny creme fraiche demi pot ) miampy siramamy izay tiana.
Tsinjaraina anaty pot miaraka @ voankazo voatetika na vita puré, azo asiana potika chocolat.
Asiana spatule raha atao esquimaux
Atsofoka anaty congelateur mandritra ny ora efatra na mihoatra dia vita ny gilasy yaourt.
Mazotoa Daholo ô!

de Monique Claires Malal

sary : Fafà Andria , Tsara Parfums

Catégorie: