Godrogodro

Portrait de Angie
361

GODROGODRO

Zavatra ilaina :

koba vary 1 kapoaka, coco voakiky ½, siramamy 250g, menaka 2sotro lehibe, vovoka kanelina ½ sotrokely, sira 1 tsongo

Fikarakarana azy:
- Atao izay ahaozoana ronono na coco 1l ( kikisana nycoco dia asiana rano mafana ary tatavanina avy eo)
- Manao caramel amin’ny siramamy 5 sotro sy rano kely, atao amin'ny afo malefaka ary ny vilany no ahetsiketsika fa tsy haroina, ajanona rehefa azo izay loko tiana, rehefa izay dia araraka ny ronono na coco. Rehefa miverina mangotraka dia bataina. Araraka ny koba, siramamy 150g, ny vovoka kanelina, menaka, sira ary haroina amin’ny sotro hazo hifangaro tsara. Raha hita fa somary malemy somary be rano dia avereno kely ambony afo malefaka harihitra kokoa.
- Omanina ny lasitra, asiana menaka dia araraka ny paty.
- Manao karamelina faha 2 amin’ny ambina siramamy (tokony ho 5 sotro io) ka rehefa mahazo loko dia araraka eo ambony paty efa ao anaty lasitra.

Fahandro azy:
- Four gasy:  40 mn eo . Raha lafaoro gasy no ampiasaina, izany hoe vilany asiana fasika dia hafanaina amin'ny afo malefaka ao ambany, ampidirina ny lasitra misy ny nahandro ary avadika ny sarombilany dia asiana afo bebe kosa eo ambony. jerena matetika
- Four vazaha: 40mn amin’ny hafanana 200°

nb: Mety raha ilay "lait de coco" amin'ny boaty ireny raha tsy manana fikikisana coco.

dia mazotoa homana ary o 

de Aina Rakotoarisoa

 

Catégorie: 
Matériels: