Gouter au coco

419

GOÛTER au COCO

Lafo dia lafo izy ity ao amin ny colbert an hihihi

 

Zavatra ilaina :

 

lafarina = 130 g

Coco râpé = 150 g

Siramamy = 170 g

dibera = 150 g (atao bain marie )

Ronono = 20 cl

Lalovay simika = 6g

Atody = 5

 

Fikarakarana azy :

 

1. Afangaro ny lafarina sy ny lalovay

2. Fangaro n ° 1 = kapohana ny atody sy ny siramamy ary atao levona tsara ny siramamy.

3. Fangaro n ° 2 = afangaro tsara ny ronono sy ny coco râpé.

4. Fangaro n ° 3 = atambatra ny fangaro n ° 1 sy ny fangaro n ° 2. Arotsaka avy eo ny dibera efa mitsonika afangaro moramora amin ny "fouet". Avy eo arotsaka indray ny farine efa misy lalovay ary mbola afangaro moramora amin ny fouet ihany.

5. Maka moule/ lasitra dia hosorana menaka na dibera. Dia arotsaka ny fangaro.

6. Afanaina mialoha ny lafaoro 200 °c ary 35 minutes eo ho eo ny fahamasahany.

NB marihiko fa lasitra kely be dia be no tokony ho izy fa ny ahy teto nataoko lasitra roa somary lehibe. Hafa mihitsiny zany ny lasitran 'izy ity fa tsy nanana aho dia io no nampiasaiko.

 

Mazotoa indray ary ho antsika izay mankafy ô

 

Hoy i Bakoly Khan Gallissan Fanampiny : maka un carre de chocolat noir dia atsofoka ao anaty moule tsirairay avy alohan'ny handrahoana azy.. Izay izy tena mitovy tsiro Colbert

Azo atao amin'ny lasitra rehetra koa ka eto dia 3 be izao ny karazana lasitra nampiasain'i Elle Irinah Ran fa nivoaka tsara daholo jereo ny sary 

nahandron'i Soa Bonheur Bourmance

Catégorie: 
Matériels: