Gratin de choufleur

344

GRATIN DE CHOUFLEUR

Zavatra ilaina : ho an’olona 6 eo

soflera lehibe 1,
jambon maigre 200g,
fromazy voakiky 100g,
sauce bechamel (ronono ¼ l, dibera 25g, maizena 3 sotro (na lafarina),
sira)

Fikarakarana :

Ampangotrahina ny soflera rehefa voadio. 
Tetehina lavalava ny jambon. 
Alahatra anaty lasitra efa nasiana dibera ny soflera ka ny sasany fonosina ilay jambon,
Manao "sauce béchamel" : empoina amin'ny afo malefaka ny dibera, arotsaka ny maizena, rehefa mifangaro tsara arotsaka ny ronono, sira kely ary aroina tsy an-kijanona mandra-parihidrihitra
Araraka ambon'ilay soflera ny saosy ary fafazana kikina fromage avy eo

Ampidirina anaty lafaoro efa nohafanaina mialoha amin’ny hafanana 180° mandritra ny 30mn

Mety koa na lafaoro vilany misy fasika aza izany hoe asiana fasika ao anaty vilany dia ataingina ambony afo avela hafana kely ampidirina ny lasitra ary avadika ny takotra dia asiana vain'afo koa.

Mazotoa ary o 

nahandron'i Aina Rakotoarisoa

Catégorie: 
Matériels: