Gratin de choux fleur

931

GRATIN DE CHOUX FLEURS A LA TRUFFE: SOFLERA ANATY LAFAORO

ZAVATRA ILAINA:

1/2 soflera (choux fleur )
15g truffe (ho an’olona 2)
Fromazy voakiky 150gr
Béchamel

Ho an’ny Béchamel :

Ronono 1/2 l
Lafarina 60 g 
Dibera 40g
Sira sy dipoavatra
Muscade voakiky
1 tsongo
 

FIKARAKARANA AZY:

Manao béchamel : miara arotsaka anaty vilany jobo avokoa ireo zavatra ilaina dia atao ambony afo malefaka, arohina tsy miato mandrapaharidritra azy dia vonona ny béchamel.
Andrahoina masakevoka ny soflera.
Tetehana manify ny “truffe”
Afangaro ny antsasaky ny béchamel sy ny soflera  efa nopotehina ary ny “truffe”
Arotsaka anaty lasitra mandeha lafaoro
Satomana ilay ambin’ny béchamel
Rarahana fromazy vaakiky
Ampidirina anaty lafaoro efa nohafanaina mialoha 200° C mandritry ny 30 minitra

Mazotoa o 

Nahandron'i Niry Rafi 

 

Catégorie: