Gratin de Christophine

859

SAKAFO MAHALEO TENA : GRATIN DE CHRISTOPHINE (SOSETY) : 

Zavatra ilaina :

sosety izay ampy
sauce béchamel
sira
kotomila
tongolo maitso
fromazy voakiky

Fikarakarana azy :

- Silahana 2 ny sosety tsy tanora loatra sy voadio.
- Andrahoina aman-kodiny atao masak'entona ( à la vapeur). - Rehefa masaka dia kikisana amin'ny sotro hiala ny nofony tandremana tsy ho rovitra ny hodiny, asiana 0,5sm eo hatevenany mijanona
- Fihazana anaty lamba ho afaka ny ranony sy ho potsitra ireo nofony. Afangaro "sauce béchamel" ridritra sy sira ary kotomila sy tongolo maitso voatetika. 
- Averina anaty hodiny teo aloha io fangaro toy ny "purée" io, rarahana fromazy voakiky eo amboniny 
- ampidirina anaty lafaoro afo ambony 200°c mandra-pahazo lokom-bolamena tsara. Tsara be.

nahandron'i Bonbon Mamibé

Catégorie: