Gratin de légumes

96

SAKAFO VEGETARIEN: GRATIN DE LEGUMES - LEGIOMA ANATY LAFAORO

Sakafo maivana izy ity 

ZAVATRA ILAINA

 

Poivron - sakaibe (maintso, mavo, mena) 3,
Ovy 3,
tongolo be 2( ilay mena no tena tsara)
oliva mainty ,
menaka oliva extravergine,
celeri,
sira,
dipoavatra raha tia (azo asiana karoty, voatavo , sns) 
Potimofo (chapelure)

 

Fikarakarana azy:

 

- tetehina daholo ny legioma dia asiana ireo menaka sy sira,dipoavatra.

- atao anaty lasitra, tsy atao matevina be , ka aleo mba lasitra lehibebe ,
- avy eo dia saromana" papier alu" ary atsofoka anaty lafaoro efa nafanaina mialoha à 180° , andrahoina mandritry ny 1h na 1h 15
- esorina ilay sarony dia rarahana motimofo kely dia averina anaty four pour 15min , rehefa lasa mendimendy lay izy dia esorina amin' izay.

 

- Azo ampiarahina amin'ny hena natono fa tsara be.

Mazotoa o 

Andry Mamina
 

Catégorie: 
Matériels: