Gratin de pate

Portrait de Angie
553

GRATIN DE PATE
 

ZAVATRA ILAINA
ho an'olona 2 (à peu près avokoa)

Macaroni

Fromazy voakiky

Jambon

Vache qui rit 2

lafarina kely

dibera kely

Ronono

poti-mofo (Chapelure) kely

 

FIKARAKARANA AZY :

- mampangotraka rano asiana sira, dipoavatra, herbes de Provence kely.

- arotsaka ny paty rehefa mangotraka ny rano..avela kely minitra vitsy2..rehefa vita dia ampandalovina rano mangatsiaka kely..

- Manao "sauce béchamel" (jereo eto) fa kosa ny ahy nampiako vache qui rit iray rehefa vitamba hanome tsiro hafa kely azy.

- Farany, maka bol lehibe ary arotsaka ao ny paty, ny atsasaky ny fromazy voakiky, ny antsasaky ny jambon voatetika araka izay tiana, ary ny antsasaky ny sauce béchamel. Afangaro tsara.

- Avy eo, arotsaka ao anaty lasitra.dia verenina asiana béchamel eo amboniny, araraka eo ambonin'ilay sauce béchamel ny fangaro ambiny rehetra, ampiana ny vache qui rit iray izay silahana efamira madinika.

- rarahana poti-mofo (chapelure) kely teo amboniny.

- Atsofoka anaty lafaoro 200°C mandritry ny 15 minitra eo ho eo.

Rehefa mivolom-bolamena (doré) tsara dia afaka esorina

Mazotoa o
Tsotra kely nefa tena tsara

Nahandron'i Mi'anouka Fy Iadanana

Catégorie: