Gratin de pomme de terre.

702

Gratin de pomme de terre

Zavatra ilaina: 
Ovy nofisahana 1cm
Nofon'akoho
Champignon frais
Crème fraîche
Fromazy
Sira sy dipoavatra
 

Fikarakarana azy: 

Nendasina ny nofon'akoho miaraka miaraka amin'ny "champignon". 
Norarahana "crème fraîche" kely ny lasitra ary nalahatra ny ovy .norarahana fromazy kely .
Nararaka teo ambony ilay nofon'akoho ary notsindrina fromazy ary ny ovy sisa ambiny .
Nofaranana tamin"ny "crème fraiche" indray handrakotra azy. 

Fahandro azy: 

- Lafaoro vazaha :hafanaina mialoha ny lafaoro - 200°C ka rehefa mafana dia ampidirina ny lasitra ary, mandritry ny 25 minitra. 

- Lafaoro gasy : izany hoe vilany asiana fasika dia hafanaina amin'ny afo malefaka ao ambany ary avadika ny sarombilany dia asiana afo bebe kosa eo ambony. Mila jerena matetika.

Azo hohanina miaraka amin'ny salady.
Mazotoa daholo ary isika o!!

Nahandron'i Suzanne Flo

 

Catégorie: