Hena omby sy anatsinahy maina

818

LAOKA RITRA : ANATSINAHY MAINA (na ANATSIPOLITRA) sy HENA OMBY 

Zavatra ilaina :

anatsianahy maina 3 kapoaka
hena omby trafontrafony 300g
sira, "jumbo" 1
menaka 1vera eo ho eo (azo ahena)

Fikarakarana azy :

- Ampangotrahana sy somary masahana amin'ny rano mahadifotra ny anatsinahy, ariana ny rano voalohany, fihazana.
- Asiana rano vaovao indray dia ampangotrahana ihany sy tohizana masahana, ariana indray ny rano faharoa ary fihazana tsara.
- Ahandroina mitokana ny trafon- kena, avela hisy ranony kely fa tsy ritina
- Rehefa malemy ny trafon- kena, dia afangaro ao amin'izay ny anatsinahy, sira, jumbo, ampiana rano kely raha mbola mafimafy ny anana, fa raha efa malemy dia asiana menaka misimisy mba tsy ho mafaika).
- Rehefa ritra dia vita.

Fanamainana ANATSINAHY na ANATSIPOLITRA :

ahahy ambony jiafotsy ao an-trano fotsiny mandra-pahamainany, mikasaosaoka tsara izy rehefa maina.
Marihana fa azo hamainina toy io avokoa ny ravin-tsaonjo, ny anamamy, ny ravimbomanga.
Azo ovaina ny hena ka tsara ny henakisoa matavy 

Mazotoa 

Nahandron'i Vero Randriam

 

Catégorie: