Hodi-kisoa voasesika

Portrait de Angie
522

"COTICHE" na Hodi-kisoa farci (specialitè italien indrindra ny sud )

ZAVATRA ILAINA:
hoditra kisoa manta (izany hoe kisoa voavotsitra no angalana hoditra) izay sahaza ny akohonanao, tsara raha asaina diovin'ny mpivaron-kena satria tena hoditra tsy misy taviny no ilaina.
persila ,
tongolo gasy,
voatabia (efa nesorina hodiny ka nopotehina no tena tsara) ,
voan'ny sapin (pinnoli no anarany aty, ilay fotsifotsy kely ao anatiny ireny )
voaloboka maina ,
kofehy, sira, dipoavatra raha tiana;
tongolo be.

FIKARAKARANA :

Alaina ny hodin-kisoa voadio dia tapahana (carre') 10cm
Rahefa vita dia tetehina madinika ny persila, tongolo gasy, dia afangaro @voan'ny sapin "pinnoli" sy voaloboka maina
Alaina ilay hodin-kisoa dia velarina apetraka eo amboniny ireo fangaro ireo ary ahorona toy ny tsihy ka mba itazomana azy dia aodikodina eo amboniny ny kofehy (misy kofehy efa natao ho an'ny lakozia fa eto dia nataoko kofehy tsotra fotsy dia madio kokoa tsy misy loko)
Alahatra atao anatiny vilany dia asiana rano mihoatra azy ary asiana sira vaingana dia ampangotrahina in-telo ka ariana foana ny rano rehefa avy mangotraka io dia hanalana ny menaka be loatra. (misy tsy manala rano raha ataofangaro zavatra mila matavy ilay laoka )
Rehefa avy ariana ny rano farany dia alana ao anaty vilany aloha dia atao indray ny saosy voatabia sy tongolo ka rehefa tena marihatra dia atao eo amboniny ilay cotiche teo aloha dia rarahana rano mihoatra kely ary atao afo malefaka ary avela ho tena marihatra dia vita

Aroso miaraka amin'ny vary ohatra fa ny an'ny italiana dia ampiarahana amin'ny legioma foana

 Lasary laisoa sy "artichaut"
- Alaina ny laisoa dia tetehana madinika , dia afaka misafidy na andrahoina kely anaty rano mangotraka misy sira 2 minitra na koa atao lasary manta
Rehefa masaka dia afangaro amin'ny tongolo be dia asiana vinaingitra na voasary makirana sy menaka ary dipoavatra. 
- Alaina ny "Artichaut" diovina tsara dia ampangotrahina amin'ny rano misy sira ary miaraka amin'ny didina voasary makirana mba tsy ho mainty. 
Rehefa masaka dia afangaro amin'ny persila dia asiana voasary makirana sy menaka ary dipoavatra. 

Mazotoa o

Nahandron'i Julie Patricia Ranaivoarijaona

Catégorie: