Homard façon armoricain

884

HOMARD façon ARMORICAIN - homard a l'armoricaine

ilaina velona tsara ny hazandrano 

ZAVATRA ILAINA :

Homards (eto dia avy any Canada) 
tongolo be
tongolo gasy 
céleri 
poarao
voatabia 
sira 
dipoavatra 
10cl cognac (na izay misy, eto dia dzama)
1 pot de crème fraîche
dibera

FIKARAKARANA AZY 

Endasina anaty vilany misy dibera ny: céleri, poarao, tongolo be ary tongolo gasy votetika madinika avokoa
Arotsaka ny Homard efa madio dia afangaro tsara
Arotsaka ny cognac eto moa dia ny dzama ao anaty vilany misy homard dia avela hivoaka ny entona 
Arotsaka ny voatabia ( arotsaka anaty rano mangotraka 30 segondra ny voatabia dia esorina ny hodiny ary tetehana madinika vao ampiasaina) 
Afangaro tsara dia asiana rano 2 vera

Avela hitanika 20minitra eo ary haroina matetika 
Rehefa izay dia esorina amin'ny vilia hitokana ny Homard
"Mixer-na" kosa ny saosy dia arotsaka ny "pot de crème fraîche"
Avela hitanika kely indray mba ho ritra kokoa
Aroso miaraka vary dia atao anaty bol ny saosy 
tsy hadino ny lasary ary sakay raha tiana 
Mazoto daholo 
Ampitiavana foana

Nahandron'i Niry Rafi 

Catégorie: