Hummus

670

 

HUMMUS - HOUMOUS : crème de pois chiches - "crema di ceci" en italien: Specialité arabe

 

ZAVATRA ILAINA:

 

400g pois chiches (ilay mitovy amin'ny voanjobory)

60 ml ranondasopy (bouillon de pois chiches)

menaka oliva 3 sotro (extravergine di oliva)

voasary makirana 1

tongolo gasy voatoto na vovoka izay tiana

sira

dipoavatra

 

Azo ampiana : paprika na carry , persil , laurier na izay zava-maintso tiana

 

FIKARAKARANA AZY:
 

Afaka mampiasa "ceci na pois chiches" efa masaka amin'ny boaty ireny , ny ahy eto tena manta.

 

- Alona rano amin'ny alina dia maraina vao andrahoina , miaraka amin'ny karoty iray,celerì, tongolo oignon kely ary tongolo gasy hasiny iray.

- rehefa masaka dia hanalana kely ny ranony dia atokana ary avela mangatsiaka kosa ny "ceci"

- potserina ny voasary makirana dia asiana tongolo gasy voatoto na vovoka, sira, dipoatra ary menaka oliva.

- totohina amin'ny "mixeur" ny "ceci"dia ampiana ilay ranony natokana teo atsasaky ny vera sy ny fangaro misy vosary makirana dia avela hihodina tsara mandrapahazo paty malama sy matevina tsara.

- raha ilaina dia ampio ilay ranony indray mba hahazoana ny hateviny tiana dia andramo ny tsiro dia ampiana ireo hanitra tiana: curry na paprika sns izay vao ahodina farany hifangaro tsara.

- atao anaty vilia na bol ny "hummus" dia asiana zava-maintso voatetika majinika

- azo haroso hohanina amin'ny mofo na hena natono na legioma sns sns

Mazotoa o

 

Catégorie: