Kabaro frity

1009

TSAKITSAKY

ZAVATRA ILAINA:

Tsy misy fatrany ny rehetra.

Kabaro maina 
tongolo gasy
 sakamalaho 
curcuma,
sakay,
sira, dipoavatra,
cumin kely
tongolo maitso
kotomila. 

FIKARAKARANA AZY 

Voasana ny kabaro maina avy nalona 1 alina. Totoina miaraka amin'ny tongolo gasy sy sakamalaho ho toy ny purée mihitsy.
Asiana : curcuma, sakay, sira, poivre, cumin kely ary tetika tongolo maitso sy kotomila. 
Maka 1 sotrokely tao boribory amin'ny tànana hitambatra tsara, ary fisahina, asiana lavaka kely eo afovoany (nataoko tamin'ny tahon'afokasoka).
Endasina amin'ny menaka mamay mandifotra azy. Masaka rehefa menafify ny lafiny 2. 

FANAMARIHANA :

Raha miparasaka anaty lapoaly dia satria mbola tsy toy ny purée izy izany ka tsy mitambatra tsara ilay paty, ivereno totoina indray ny ambiny, afaka mampiasa laona raha misy no tena tsara. Robot koa mety, 
Nahandron' Bonbon Mamibe 

Catégorie: