Kaofitiora mananasy

586

KAOFITIORA MANANASY - confiture ananas
 

ZAVATRA ILAINA :

- mananasy 4 isa
- siramamy 1kg
- paoma bio 1 na 2
- voasary makirana 2

 

FIKARAKARANA  AZY:

- Voasana ilay mananasy dia tetehana
- Sasana tsara ny paoma bio, dia tetehina majinika miaraka amin'ny hodiny
- potserina ny ranomboasary makirana.
- Atao anaty vilany izy rehetra ireo dia ampangotrahana tsara amin'ny afo malefaka
- arotsaka avy eo ny siramamy, avela mangotraka, mila aroina matetika mba tsy hiraikitra amin'ny vody vilany.
- Rehefa hitanao fa marihitra ilay izy dia masaka izy izay.​

NB: raha tiana hotehirizina izy dia tsara kokoa iny vao vita iny sy mbola mafana no atao anaty "bocal" saromana tsara dia ampangotrahana anaty rano mangotraka.

Esorina dia ahohoka ( ny vavan'ny "bocal" no atao ambany) mandra-pangatsiakany tsara. Maharitra be io raha toa ka tsy mbola nisokatra.

 

Mazotoa o

Catégorie: