Katilesy

624

CATLESS - KATILESY 

Zavatra ilaina:

Ovy 1kg
Toton-kena 300g
Sakamalaho voakiky 2 sotro kely
Tongolo gasy hasiny 4
Tongolo be 2 salatsalany
Dipoavatra kely; sira izay tiana
Siramamy 1 sotro kely sy tapany
Tongolo maitso
Kotomila
Atody 2
Lafarina 100g
Chapelure / potimofo  izay ampy
Menaka 

Fikarakarana :

Sasana ny Ovy dia andrahoina aman-kodiny 
Tetehina madinika kely ny Tongolo be
Totoina ny Tongolo gasy
Tetehina madinika kely ny Tongolo maitso sy ny kotomila.
Rehefa vita izay rehetra izay dia maka lapoaly atao eo ambony afo dia asiana menaka kely. Avela hafana dia arotsaka ao ny Tongolo be efa voatetika dia avela ho masamasaka. Rehefa vita izay dia alefa ao ny Sakamalaho sy ny Tongolo gasy ary karoina mba hifangaro tsara dia avela ho masamasaka indray.
Rehefa vita indray izay dia alefa ny toto-kena ary karoina hatrany. Asina dipoavatra sy sira ary siramamy dia hafangaro hatrany ary avela ho masaka sy mendimendy vao esorina eo ambony afo ary eo vao arotsaka ny tongolo maitso sy ny kotomila dia hafangaro tsara sy avela hangatsiaka. 
Rehefa masaka ny Ovy dia atao ao anaty rano mangatsiaka avy eo voasana ary potserina amin'ny sotro rovitra mba ho potika tsara.
Rehefa vita izay dia alefa ao ilay fangaro tery aloha dia hafangaro tsara. Afaka mbola hampiana sira raha ohatra ka tsy ampy.Volavolaina ho boribory sy habe izay hitiavana azy avy eo. Rehefa vita izay dia maka lovia telo asiana Lafarina , Atody voakapoka tsara ary potimofo.

Fanendasana azy :

atao mafana tsara ny menaka izay tokony handifotra azy; ka alefa ao anaty lafarina maina tsy asiana rano aloha avy ao anaty atody efa voakapoka tsara ary ny farany ao anaty potimofo dia endasina amin'izay. Apetraka ambony taratasy na sopalin mba hitsika tsara ny menaka. 

Mazotoa daholo o!

Nahandron'i Eva Ny Aina Rahari

 

Catégorie: