Katilesy atody

48

Katilesy atody 

zavatra ilaina

Ovy1, karaoty 1, oignon 1, haricot vert kely, persil voatetika kelikely.

Fikarakarana azy:

Kapohana ny atody efatra sy creme fraiche 20cl ary farine 2c.a.s, sira, poivre. 
Vita izay dia afangaro ao ny ovy, karaoty, haricot vert, oignon efa masaka voatetika madinika. Asiana persil, sira, poivre, cumin, carry.
Rehefa vita izay dia hosorana menaka ny moule madinika (moule mofogasy ohatra) na lapoaly madinika, na vilany kely madinika, ary arotsaka ao, atao afo antonony.

Rarahina fromage rapé indray mitsongo isaky ny moule.
Rehefa maimay mendimendy ny katilesy atody dia vita.
Aroso mafana.
Miammmm be!

de Moniques Claire Malala

Catégorie: 
Matériels: