Katilesy sy charcuterie

878

Miarahaba antsika rehetra indray ary ô 

LAOKA na TSAKITSAKY : KATILESY CHARCUTERIE - Cateless au charcuterie 

ZAVATRA ILAINA 

Ovy 500 g 
charcuterie izay tiana
Dipoavatra
Sira 
Curry 
Lafarina kely 
Atody 1
Menaka fanendasana

FIKARAKARANA AZY 

1. Rehefa voadio tsara ny ovy dia andrahona miaraka amin ' ny odiny. Ka rehefa masaka dia voasana ary potsehina amin ny sotro rovitra "fourchette". 
2. Esorina ny fonon'ny "charcuterie" dia potehina manjinika tsara 
3. Afangaro ny ovy efa voakaraka sy ny "charcuterie" efa voakaraka dia asiana sira dipoavatra ary curry. Azo asina izay hanitra izay tina an. Tandremo tsara ny sira fa efa masira ny charcuterie an 
4. Afangaro tsara ireo dia bolabolaina amin'ny tanana dia atao fisaka araka ny habeany izay tiana. 
5. Maka lovia jobo iray hanaovana paty: kapohana ny atody asiana rano kely dia arotsaka ao koa ny lafarina dia afangaro tsara. 
6. Afanaina amin'ny afo malefaka ny menaka ka rehefa mafana dia alaina ny katilesy dia asoka ao anaty paty dia endasina. 
7. Apetraka ambony "sopali" na taratasy "emballage" mba hitsika tsara ny menaka.
Aroso miaraka amin ny vary na lasary na atao tsakitsaky. 
Mazotoa indray ary ho antsika izay mankafy

- Nahandron'i Soa Bonheur Bourmancé
 

Catégorie: