Kebab au viande

412

Kebab au viande

zavatra ilaina 

Wrap 4: farine 200g, rano 10càs, menaka 3càs, sira 2 tsongo

- atiny : salade, katsaka, ovy voaedy, tongolo voaendy, hena nendasina na natono , voatabia, cocombre rapé,

azo asiana izay tiana rehetra ohatra: saosisy whustel sy ovy frity ary ketchup, mayonese, saosy barbecue.

Fikarakarana azy :

WRAP

* Afangaro ny sira sy ny lafarina voasivana dia arotsaka ny rano sy menaka, volavolaina hifangaro tsara ka tokony ahazo bolongana paty tsy miraikitra amin'ny tanana, avela hilona eo 30minitra.
* Fafazana lafarina ny latabatra dia zaraina 4 mitovy ilay bolongana paty, ka ny paty tsirairay dia kosehina hanify ary omena endrika boribory tokony ho 20cm ny savaivony
* Afanaina ny lapoaly, tsy asiana menaka fa avy dia alefa ao ilay paty, rehefa afaka 2mn dia avadika, dia toy izay koa ny lafiny ilany
Andrasana mangatsiaka vao asiana atiny.

Atiny : 

*Tetehana lavalava ny nofon-kena asiana izay hanitra tiana (sira, sakamalao, tongolo gasy sns) ary avela hilona kely vao endasina
* Tetehana madinika ny voatabia, kikisana kosa ny "concombre ", 
* Tetehana lavalava ny ovy dia endasina
* Tetehana lavalava ny tongolo dia endasina na manta araka izay tiana
* sasana ny salade dia asiana mais sy izay tiana rehetra 
* Alaina ilay wrap dia velarina eo ambony latabatra ary apetraka ny ao anatiny araka izay tiana:

- ao ny mihinana ovy frity sy saosisy fotsiny dia saosy 
- ao kosa ny mihinana salade sy hena 
- ao ny matahotry ny tsy ho voky ka atao feno tsara ny rehetra hihihi (za zay )

NB: ny hena dia mety avokoa na kotoleta, nofon'akoho, nofon-kena, atono na endasina ( tsy atao be menaka ) izy mendy mikarepoka kokoa, tetehina lavalava mandinika. Azo atao totokena koa atao lavalava fa tsy boribory, endasina dia atao solon' ny hena. 

Fa ny original Kebab dia henan' ondry moa

Mazotoa o

Nahandron'i Tiana Parlato

 

Catégorie: 
Matériels: