Koba katsaka sy akondro

640

KOBA KATSAKA SY AKONDRO
Manasa hihinana o! gasigasy tena mahavoky.

Ny zavatra ilaina: 

koba katsaka in-5 ny sotro misavovovona
akondro 5
siramamy izay tiana
rano na ronono
vanilina singany 1

Fikarakarana azy

Potserina ny akondro 3
Arotsaka ny rano 
Ampiana ny siramamy sy koba
Ampiana ny atin'ilay lavanilina
Harohina tsara
Nataoko bebe rano kokoa ny ahy fa tsy tiako ilay izy maina be
Narotsaka tao anaty lovia vy ny atsasak'ilay koba voakarakara dia nasiako akondro voatetika boribory manify
Avy eo, narotsako teo ambony ny ambin'ilay koba dia nampiako didina akondro indray

Nandrahoana bain- marie tao anaty vilany dia 1h dia masaka, na koa atao bain marie anaty lafaoro ka maka lasitra lehibe misy rano dia ao anatiny no apetraka ny lasitra kelikely misy ny koba, 180 ° eo amin'ny 40 min eo dia efa jerena.
Notsindromiko "fourchette" ka raha tsy misy manaraka dia masaka

NB: azo asiana atody raha tiana hampalefaka azy. 

Nahandron'i Iangola Ny Aiko

Catégorie: